1. Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
2. Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?
3. Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
4. Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6. Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7. Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
8. Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9. Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,