7. Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
8. Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.
9. Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
10. Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
11. Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana
12. Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
13. Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
14. Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta,
15. Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.