24. Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.
25. Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.
26. Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
27. Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
28. Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.
29. Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
30. Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.
31. Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.