12. Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
13. Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
14. Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta,
15. Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
16. Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.
17. Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;