Joba 36:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:

2. Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.

3. Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.

4. Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao.

5. Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy.

6. Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.

Joba 36