Joba 31:8-17 Malagasy Bible (MG1865)

8. Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.

9. Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,

10. Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.

11. Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;

12. Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.

13. Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,

14. Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?

15. Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?

16. Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,

17. Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty

Joba 31