Joba 30:7-16 Malagasy Bible (MG1865)

7. Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.

8. Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.

9. Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.

10. Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.

11. Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.

12. Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.

13. Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,

14. Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany.

15. Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy

16. Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.

Joba 30