Joba 30:25-29 Malagasy Bible (MG1865)

25. Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?

26. Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.

27. Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.

28. Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.

29. Rahalahin'ny amboadia aho Ary naman'ny ostritsa.

Joba 30