1. Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
2. nanao hoe:
3. Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
4. Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
5. Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.
6. Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
7. Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
8. Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
9. Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,
10. Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.
11. Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?