Joba 29:15-24 Malagasy Bible (MG1865)

15. Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.

16. Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.

17. Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany

18. Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.

19. Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.

20. Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.

21. Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.

22. Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.

23. Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.

24. Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.

Joba 29