2. Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
3. Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
4. Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
5. Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
6. Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
7. Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
8. Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
9. Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
10. Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
11. Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
12. Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
13. Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
14. Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.