Joba 28:17-27 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.

18. Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.

19. Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara

20. Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?

21. Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.

22. Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.

23. Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;

24. Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,

25. Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.

26. Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,

27. Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;

Joba 28