Joba 28:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.

2. Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.

3. Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;

4. Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.

5. Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.

6. Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy

Joba 28