8. Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
9. Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
10. Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
11. Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
12. Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
13. Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita.
14. Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: MialĂ aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
15. Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?