10. Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
11. Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.
12. Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
13. Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
14. Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
15. Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16. Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
17. Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18. Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
19. Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20. Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
21. Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22. Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
23. Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24. Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25. Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
26. Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
27. Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,