Joba 19:4-17 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.

5. Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,

6. Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.

7. Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.

8. Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.

9. Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.

10. Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.

11. Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.

12. Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.

13. Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.

14. Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.

15. Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.

16. Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.

17. Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.

Joba 19