1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2. Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
3. Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
4. Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.
5. Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
6. Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.
7. Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
8. Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.