4. Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
5. Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
6. Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
7. Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
8. Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;
9. Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana
10. Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
11. Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.