1. Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
2. Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
3. Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
4. Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
5. Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.