Joba 16:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?

4. Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;

5. Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.

6. Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.

7. Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.

8. Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.

Joba 16