Joba 15:21-27 Malagasy Bible (MG1865)

21. Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.

22. Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.

23. Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.

24. Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,

25. Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.

26. Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,

27. Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;

Joba 15