Joba 14:15-21 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.

16. Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?

17. Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.

18. Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;

19. Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.

20. Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.

21. Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.

Joba 14