Joba 13:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!

6. Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.

7. Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?

8. Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo

9. Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?

Joba 13