Joba 1:5-20 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.

6. Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.

7. Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.

8. Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.

9. Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra?

10. Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.

11. Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e!

12. Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.

13. Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;

14. ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,

15. dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.

16. Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.

17. Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.

18. Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;

19. ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.

20. Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka

Joba 1