Joba 1:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.

2. Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.

3. Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.

4. Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.

5. Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.

Joba 1