29. Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin'i Jehovah izy, dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
30. Koa hiampatrampatra eny ankalalahana ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
31. Indro, hiatrika aminao Aho, ry Ifiavonavonana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
32. Ho tafintohina Ifiavonavonana, dia ho lavo, ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
33. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.
34. Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.
35. Indro! hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin'ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, hoe Jehovah.
36. Indro! hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.
37. Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
38. Ny fihantonan'ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.
39. Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
40. Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any.
41. Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.