8. Ary ny mpandringana ho tonga ao amin'ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain'i Jehovah.
9. Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
10. Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
11. Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin'ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony.
12. Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
13. Ary Moaba ho menatra noho ny amin'i Kemosy toy ny nahamenaran'ny taranak'Isiraely noho ny amin'i Betela tokiny.
14. Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an'ady izahay?
15. Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin'ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
16. Efa antomotra ny loza hanjo an'i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
17. Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
18. Ry Dibona, zanakavavy mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
19. Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona ianareo?
20. Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.
21. Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin'ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
22. Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
23. Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
24. Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan'i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
25. Voakapa ny tandrok'i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.