Jeremia 48:34-44 Malagasy Bible (MG1865)

34. Ny fitarainan'i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.

35. Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin'ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an'ny andriamaniny, hoy Jehovah.

36. Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.

37. Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin'ny valahana.

38. Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.

39. Indrisy! raiki-tahotra izy! MidradradradrĂ ! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.

40. Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an'i Moaba.

41. Afaka ny tanĂ na, ka azo ny batery fiarovana, ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Moaba dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.

42. Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.

43. Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.

44. Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.

Jeremia 48