Jeremia 48:19-27 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona ianareo?

20. Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.

21. Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin'ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata

22. Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima

23. Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona

24. Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan'i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.

25. Voakapa ny tandrok'i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.

26. Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.

27. Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman'ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?

Jeremia 48