Jeremia 47:3-7 Malagasy Bible (MG1865)

3. Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,

4. Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.

5. Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?

6. Indrisy ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.

7. Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.

Jeremia 47