3. Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
4. Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.
5. Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
6. Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
7. Iza moa izato mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
8. Egypta mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanĂ na sy ny mponina ao aminy.