Jeremia 44:1-19 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:

2. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra; ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao aminy,

3. noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin'ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy hanompo andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo.

4. Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany.

5. Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa.

6. Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin'izao anio izao.

7. Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy hahamisy miangana anareo,

8. noho ny ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany?

9. Moa hadinonareo va ny ratsy nataon'ny razanareo sy ny mpanjakan'ny Joda sy ny vadiny ary ny tenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin'ny tanin'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema?

10. Tsy mbola torotoro fo izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotra na nandeha araka ny lalàko sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan'ny razanareo.

11. Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.

12. Ary halaiko ny sisa amin'ny Joda, izay nikiry hankany amin'ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin'ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan'ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.

13. Fa hovaliako izay monina any amin'ny tany Egypta, toy ny namaliako an'i Jerosalema, dia amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.

14. Ary na sisa amin'ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin'ny tanin'ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.

15. Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe:

16. Raha ny amin'ilay teny voalazanao taminay tamin'ny anaran'i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.

17. Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin'ny tanànan'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.

18. Fa hatrizay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan'ny sabatra sy ny mosary.

19. Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?

Jeremia 44