5. Fa Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin'ny tanin'ny Joda,
6. dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i Neria
7. ka dia nankany amin'ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
8. Dia tonga tamin'i Jeremia tao Tapanesa ny tenin'i Jehovah hoe:
9. MitondrĂ vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin'ny feta ao amin'ny gorodona taila, izay eo akaikin'ny vavahady amin'ny tranon'i Farao ao Tapanesa, eo imason'ny lehilahy amin'ny Joda,