Jeremia 43:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,

2. dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;

3. fa Baroka, zanak'i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.

4. Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.

Jeremia 43