Jeremia 42:20-22 Malagasy Bible (MG1865)

20. Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay.

21. Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.

22. Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.

Jeremia 42