Jeremia 4:9-14 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.

10. Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo รด! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin'ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin'ny aina ny sabatra.

11. Amin'izany andro izany dia holazaina amin'ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin'ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.

12. Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.

13. Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.

14. Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin'ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jeremia 4