1. Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
2. ary nony tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
3. dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona.
4. Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.