Jeremia 37:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.

9. Izao no lazain'i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.

10. Fa na dia mamely ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanĂ na ity amin'ny afo.

11. Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'ny miaramilan'i Farao,

12. dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin'ny vahoaka.

Jeremia 37