Jeremia 36:14-24 Malagasy Bible (MG1865)

14. Dia nirahin'ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin'i Baroka, zanak'i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.

15. Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin'i Baroka teo anatrehany.

16. Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.

17. Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny vavany.

18. Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty.

19. Dia hoy ny mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.

20. Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.

21. Ary nirahin'ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka izany.

22. Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.

23. Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana.

24. Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.

Jeremia 36