6. Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
7. ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.
8. Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
9. ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
10. fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.
11. Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.
12. Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
13. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.