20. dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy, ary ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
21. Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy ary eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
22. Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.