14. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin'ny aranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda.
15. Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an'i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy.
16. Amin'izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
17. Fa izao no lazain'i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny taranak'Isiraely;
18. Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.
19. Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
20. Izao no lazain'i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin'ny andro sy ny fanekeko ny amin'ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin'ny fotoany,
21. Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.
22. Toy ny hamaroan'ny kintana eny amin'ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin'ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak'i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
23. Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24. Tsy hitanao va izay nolazain'ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin'i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
25. Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy amin'ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,
26. Dia hariako ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin'ny fahababoana izy ka hamindrako fo.