4. Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.
5. Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
6. Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.
7. Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely.
8. Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
9. Amin'ny fitomaniana no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
10. Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.
11. Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin'ny tanan'ny mahery noho izy.
12. Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
13. Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
14. Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
15. Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny.
16. Izao no lazain'i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny.
17. Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray.
18. Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
19. Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny tsinin'ny fahatanorako.
20. Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.
21. Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin'ireto tanànanao ireto.