Jeremia 31:32-34 Malagasy Bible (MG1865)

32. Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah.

33. Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalĂ ko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.

34. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: MahalalĂ  an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Jeremia 31