24. Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian'ny ondry aman'osiny.
25. Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
26. Ary tamin'izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.
27. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
28. Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
29. Amin'izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo.
30. Fa ny olona rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
31. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda,
32. Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah.
33. Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
34. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.