Jeremia 31:17-30 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray.

18. Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.

19. Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny tsinin'ny fahatanorako.

20. Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.

21. Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin'ireto tanànanao ireto.

22. Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin'ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.

23. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin'ny fahababoany izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, ry fonenan'ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!

24. Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian'ny ondry aman'osiny.

25. Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.

26. Ary tamin'izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.

27. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.

28. Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.

29. Amin'izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo.

30. Fa ny olona rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.

Jeremia 31