Jeremia 30:18-22 Malagasy Bible (MG1865)

18. Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin'ny fahababoana ny lain'i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanĂ na dia haorina ao amin'ny havoany, ary ny lapan'andriana hitoetra ao amin'izay mahamety azy.

19. Ary hisy fisaorana sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.

20. Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy.

21. Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.

22. Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo.

Jeremia 30