2. Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
3. Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
4. Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
5. Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
6. Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
7. Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
8. Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
9. Ary tamin'ny fihorakorahan'ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin'ny vato sy ny hazo izy.
10. Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
11. Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
12. Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
13. Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin'ny hafa ianao. Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
14. Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
15. Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin'ny fahalalana sy ny fahendrena.