4. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
5. Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
6. Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy.
7. Ary katsaho izay hiadanan'ny tanĂ na izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
8. Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.
9. Fa lainga no vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
10. Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo.
11. Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.
12. Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
13. Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.