Jeremia 29:11-30 Malagasy Bible (MG1865)

11. Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.

12. Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.

13. Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.

14. Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.

15. Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.

16. Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.

17. izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.

18. Ary henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako, azy

19. noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.

20. Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babylona.

21. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.

22. Ary izy roa lahy dia hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny afo, anie ianao,

23. noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.

24. Ary Semaia Nehelamita dia hilazanao hoe:

25. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin'ny anaranao ho amin'ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin'i Zefania mpisorona, zanak'i Mahaseia, ary amin'ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe:

26. Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;

27. koa nahoana ianao no tsy nananatra mafy an'i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo?

28. Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.

29. Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan'i Jeremia mpaminany.

30. Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:

Jeremia 29